ANKITENY, na « ANKIzy miTENY »,

Manentana ny tsirairay, na kely na lehibe, handray fitenenana ary ho sahy hijoro amin’ny heviny sy amin’ny rariny. Mikasa ny hampiroborobo ny fampandrosoana manomboka amin’ny fahazazana ka hatramin’ny olon-dehibe izahay satria resy lahatra fa ny maha olona no laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Ny laminasa

Ny klioba ANKITENY

Mitetika ny amorona fiaraha-monina mifanohana ny tetikasa ANKITENY. Noho izany dia manentana ny toeram-pampianarana rehetra mba hanangana “klioba Ankiteny » mifandray amin’ny zon’ny olombelona sy ny maha olom-pirenena vanona. Hotolorana bokikely torolàlana ireo klioba mba ahafahany manolotra hetsika fanabeazana ho an’ny mpikambana. Mahazo tombony amin’ny fitaovana sy fomba fanabeazana fanampiny ihany koa ireo mpanabe sy mpampianatra, ary ireo mpianatra.
Création du club ankiteny local
Création et partage d'outils pédagogiques

Ny famoronana fitaovana sy fomba fanabeazana fanampiny ho an’ny mpanabe sy ny mpianatra

Ny ekipan’ny Ankiteny dia manampahaizana manokana amin’ny fanabeazana sy ny fifandraisana. Noho izany izy dia hizara ny traikefany amin’ny famoronana fitaovana miaraka amin’ny torolàlana momba ny fanabeazana. Hatao izany mba hanentanana ny mpikambana sy ny manodidina momba ny maha zava-dehibe ny fanabeazana olom-pirenena.
Ankoatr’izany, hanatontosa atrikasa fampivoarana fahaiza-manao ho an’ny mpanabe sy ny mpampianatra mpikambana ihany koa ny tetikasa.
Partages d'expérience

Ny fitaovana

Fananganana
fikambanana ankiteny

Fitaovana

Tohano izahay

Andao hihetsika
Ankoatran’ny fanohanana ara-bola, misy fomba maro hafa
afahanao manohana ny tetikasa izay iombonantsika :
Raha toa ka toeram-pianarana ianao, azonao atao ny dingana voalohany amin’ny fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena anao dia ny fananganana klioba Ankiteny.
Raha toa ka toeram-piasana ianao, dia afaka manangana fiaraha-miasa mahomby afahantsika manatratra ny tanjontsika sy manitatra ny hetsika ataontsika.
Raha toa ka olon-tokana ianao, manasa anao hilatsaka an-tsitrapo hanatevin-daharana ny ekipanay.

Manaova fanomezana ara-bola

Satria na fihetsika kely avy aminao aza dia tena hitondra fiovana lehibe ho an’ny hoavin’ny ankizy malagasy, mandraisa anjara amin’ny tetikasa, manaova fanomezana ara-bola.
Misaotra anao sahady noho ny fahalalan-tananao ny ekipa ny Ankiteny.
Rehefa miaraka isika, dia afaka mandroso bebe kokoa.

Fifandraisana

Ong ankiteny, lot IIG9 AMBATOMARO, ANTANANARIVO 101